kolontsaina

Mpanao asa tanana Malagasy Maro ireo olana mila vahana


  • Alakamisy 03 Janoary 2019

Tsy azo tsinontsinoavina sy hodian-tsy hita ny asa tanana satria maherin’ny roa tapitrisa amin’ny Malagasy no mivelona aminy. Mitondra vokatra ho amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara izany satria manome 15 % hatramin’ny 17 % amin’ny harinkarena faobe.

 

 

 

Eo ho eo ihany ny tsena tamin’iny taona 2018 iny raha oharina ny taona 2017, araka ny tatitry ny mpanao asa tanana iray mivelona amin’ny rary. Mbola maro ny olana sedrain’izy ireo toy ny fihenan’ny akora fototra ilaina, ny tsy fahampiana eto an-toerana noho ny fanondranana ka zary tompony mangataka atiny hatrany ny mpanao asa tanana Malagasy. Araka izany, tokony hisy fepetra mazava sy fanaraha-maso matotra ny fitrandrahana sy ny fanondranana ny akora fototra eto Madagasikara. Anisany ny hazo, ny tandroka, ny rofia, ny hoditra izay tena fampiasan’ireo mpanao asa tanana Malagasy.  Afaka hifaninana tsara amin’ny firenena hafa i Madagasikara rehefa ampy ireo akora ampiasaina, indrindra rehefa mahay manaraka tsara ny fandrosoana ara-teknolojia ireo mpisehatra. Etsy an-daniny, andraikitra voalohany tokony horaisin`ny mpanao asa tanana ny fidirana amin`ny sehatra ara-dalàna sy matihanina hanamafisana ny fahaiza-manao mba hiteraka fampandrosoana ara-toekarena

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT