MPANANKATO PRINCIO

“Tsy mamely intsony izao fitondrana izao”


  • Alarobia 18 Oktobra 2023

Tsy mamely intsony izao fitondrana mijoro izao! Mafy loatra izay 5 taona niainana izay ka ilana fanovana.

Io no nambaran’ny mpanankato Princio omaly raha nanatevin-daharana ny diabe niarahana tamin’ireo kandida miisa 11 niainga teny amin’ny Cenam Andavamamba izy. Tazana teny an-toerana ihany koa ny mpanankato Bodo izay nanamafy izany no sady niara-nanao ilay diabe tamim-pilaminana. Tsiahivina moa fa efa fanin-telony tamin’io andron’ny omaly io ny mpanankato Princio no nandray anjara tamin’ity diabe tamim-pilaminana notanterahin’ny kandida miisa 11 ity. Inoana araka izany fa mbola ho avy hatrany ny tenany no sady hanentana ireo mpanankato mitovy aminy ho tombontsoan’ny taranaka faramandimby. Tsy grevy araka ny fahitan’ireo mpino Slamo azy mantsy izy ity na fanakorontanana araka ny filazan’ny hafa fa tena tolona ho an’ny tanindrazana tokoa. Anisan’ireny ny ady amin’ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fananan’asa izay miteraka izao fahantrana lalina iainan’ny isam-baravarana izao.
Pati
Legende : Ny mpanankato Princio nandritra ny diabe tamim-pilaminana notanterahiny omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT