kolontsaina

Mpanakanto Valo volana tsy nisitraka zon’ny mpamorona


  • Alakamisy 11 Aogositra 2022

Banga nanomboka ny volana febroary 2022 ny toeran’ny Talen’ny Ofisy Malagasy momba ny zon’ny mpamorona na OMDA,

rehefa nesorina i Ranjarivo Haja ary tsy mbola nisy fanendrena izay ho solony hatreto. Nandringa nanaraka an’izay koa ny asan’ny OMDA indrindra ny fandoavana ny zon’ny mpamorona. Manomboka mampiaka-peo ireo mpanakanto mpamorona mpikambana manoloana izany. « Izay milaza azy ho manampahefana, avoahy ny anjara vola zon’ny mpamorona anjaranay, ny volanareo sady be dia be no tsy tapaka isam-bolana, izahay efa valo volana no tsy nahazo ny volanay, tsy misy resaka maro, avoahy ny zonay. Masina ny tanindrazana ! », hoy i Max Exception tao amin’ny tambazotran-tserasera sosialy facebook. « Tsy somonga akory ny fiainanay fa mamelona vady aman-janaka tahaka ny rehetra izahay ka noho izany avoahy ny zonay, ny volanay ao amin’ny OMDA », hoy izy nanohy. Talohan’io dia Mpanakanto maromaro no efa namoaka fanambarana ampahibemaso, tonga hatrany amin’ny fanankihanana ny minisitra mpiahy.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT