Mpanakanto Rootsikalo

«Hanaiky ve ny sinoa any Chine hoe : Malagasy mpanam-bola handrodana ny tranony ?»


  • Alarobia 28 Febroary 2024

Eritrereto hoe tonga any Chine ialahy dia manam-bola hividianana

tany any, dia hoe esory teo ireo sinoa ireo fa ahy io tany io ! Dia hanaiky an'izany ve ny Sinoa? Tsy mitombona izany, tsy hisy mihitsy izany », hoy ny mpanakanto Rootsikalo, naneho hevitra momba ny zava-misy mikasika ny fahazoan’ny vahiny tany eto. Na tsy novantaniny aza dia heverina avy hatrany fa ilay tranga teny Antsofonondry nandrodanana tranon’olona miisa 15 fa hoe namidin’ny karana tamin’ny sinoa ny tany no anton’io. « Ny eto Madagasikara ihany no misy hoe Malagasy ialahy, dia miala eo amin'ny tanin'ialahy fa iny misy Sinoa sy Karana tampon'ny tany. Tsy misy "logique" mihitsy kosa ve eto amin'ny Tanàna e?" Hoy i Rootsikalo tao amin'ny pejiny. Henjana ilay zava-misy eto amin’ny firenena, ary ny zava-misy tahaka izao no maneho, fa tompony mangataka atiny eto amin’ny taniny ny Malagasy, viravirain’ny vahiny,… Ny madinika tsy misy mpiahy, ny mpitondra tsy rototra mba tsy hilazana fa betsaka no mitsikombakomba amin’ny fivarotan-tanindrazana. Tsara rahateo ny manamarika sy mampahatsiahy, fa Malagasy avokoa ny any amin’ireny sampan-draharaham-panjakana ireny fa tsy vahiny. Ny vola no toa mibaiko, ka takona ny rariny sy ny hitsiny !
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT