kolontsaina

Mpanakanto Rolf « Fay tanteraka aho, anatra ho antsika iny »


  • Talata 15 Septambra 2020

Niala tsiny tamin’ny vondron’olona, olon-tsotra, haino aman-jery, andrim-panjakana, fivavahana,…

 

 

sy iray rehetra voatohitohina tamin’ny zavatra rehetra nosoratany tao amin’ny tambajotra Facebook i Rolf Rafindrakoto fantatry ny rehetra amin’ny hoe « Rolf » eo amin’ny tontolon’ny zava-kanto, araka ny nambarany tamina onjam-peo iray omaly. Tsy marina ilay iray tapitrisa ho an’ny mpanakanto sasantsasany, isan’ny tena nitondrany fanakianana sy tena mamoafady, raha tsiahivina. Nentin’ny fo fotsiny aho, ary manentana ny olona rehetra, fa izahay mpanakanto dia mitaiza sy mifampitaiza. Ajanony ny resaka momba an’iny amin’ny facebook, satria mila mandamina ilay tantara aho. Tandremo ny zavatra soratana, ary aza miteny na inona na inona, aza manoratra na inona na inona raha mbola ao anatin’ny fahatezerana. Ataovy am-panajana foana, ataovy am-pitiavana. Niala tsiny ihany koa tamin’ny mpanakanto Rossy sy ny Sendikan’ny Artista i Rossy, ary nisaotra namerina ahy tamin’ny toerako satria zoky nananatra zandry tsy hiteniteny foana, hoy izy. Izaho no nahazo lesona, fa anatra sy lesona ho an’ny rehetra iny. Fay tanteraka ary manomboka izao ary ho mandrakizay, dia tsy hanao zavatra hafa intsony afatsy ny fizarana tsikitsiky sy fitiavana aho amin’ny Facebook. Hizara zavatra miabo fa tsy hizara zavatra ratsy tsy mitondra mankaiza amin’izao fiainana efa ratsy izao, hoy hatrany i Rolf. Tsiahivina fa ny 10 septambra no niakatra fitsarana i Rolf sy olona 3 hafa, ary eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana.

Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT