kolontsaina

Mpanakanto Nomcebo Mampametra-panontaniana ny fandalovany


  • Alakamisy 19 Novambra 2020

Tokony ho tamin’ny 2 ora sasany tolakandro, i Nomcebo Zikobe, ilay

 

 

mpanakanto afrikanina mpihira ilay hira malaza hoe : “Jerosalema” no nigadona teto Madagasikara ny 10 novambra teo. Niainga avy tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Johannesburg, ny alatsinainy talohan’io moa izy. Nandalo tao Adis Abeba avy eo. Tamin’ny 10 ora maraina ny 9 novambra kosa dia niala tao Adis Abeba ka tonga tao Nosy Be ny ampitso. Raha ny lamina napetraka dia nijanona 2 andro tao aloha i Nomcebo, vao nandray ny sidina ho eto Antananarivo. Ny zoma 13 Novambra tamin’ny 7 maraina kosa no tokony niala teny Ivato vao nihazo an’i Sambava hanao ilay fampisehoana. Nanomana “carnaval” hitsenana azy nanomboka teny amin’ny seranam-piaramanidina Ambodisatrana Sambava, iny zoma iny ihany, tamin’ny 11 ora atoandro moa ity faritra ity. Ary niaka-tsehatra tao Sambava ny 14 novambra izy. Niarahan’ny rehetra nahita avy eo ny tohiny fa dia nilibaliba hatrany anatin’ny toeram-piomanana na “vestiaire”n’ny Barea ity mpanakanto ity. Toy ny tsy nisy manam-pahefana nandrara namory vahoaka koa tao anatin’izao fepetra ara-pahasalamana mbola voalaza ho mihatra izao na dia efa nofoanana teto Madagasikara aza ny fahamehana ara-pahasalamana. Mampametra-panontaniana ihany hoe fa angaha moa efa azon’ireo vahiny mandalo ao Nosy be ny mihetsiketsika ao? Tena tsy azo nihodivirana ve ny fandalovan’ity mpanakanto ity teto?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT