kolontsaina

Mpanakanto mivondrona ao amin’ny OMDA Tsy manaiky ny hitantanan’ny OMACI ny vola nampidirin’izy ireo


  • Alakamisy 04 Aprily 2019

Mifanitsaka tanteraka ny lalàna mifehy ny OMDA sy ny OMACI ankehitriny, fikambanana izay samy hivondronan’ireo mpanakanto Malagasy saingy ny iray mpihira ny iray mpilalao sarimihetsika.

 

 

 

 

Araka ny fanazavan’i Rossy omaly, lalàna efa nolaniana entina hitantanana ireo mpihira mivondrona ao anatin’ny sendikan’ny artista Malagasy, mpikambana ao amin’ny OMDA  no nolanian’ireo solombavambahoaka hitantanana ny OMACI indray. Nivaky anefa ny solombavambahoaka tamin’ny fandaniana io lalàna io tamin’izany fotoana satria ny antsasany nandeha teny amin’ny kianja 13 mey raha nijanona teny Tsimbazaza kosa ny antsasany. Ankehitriny, hita miharihary ny vokany toy ny fidiran’ny OMACI hitantana ny 50 %-n’ny vola voaangon’ireo mpanakanto eo anivon’ny OMDA. Mba misy hira ihany any anatin’ireo horonantsary mihetsika ireny fa tsy mijanona ho horonantsary fotsiny. Tsy manaiky izany anefa ny sendikan’ny artista Malagasy koa mangataka amin’ny fanjakana ny tokony hanitsiana io lalàna mifanitsaka io. Nambaran’i Rossy izay  mpikambana eo anivon’ny OMDA fa tsy miady akory izy ireo fa mangataka ny OMACI kosa mba hijery ireo lalàna mifanitsaka ary tsy hampihatra izany intsony hisorohana ny mety hisian’ny fifangaroan’andraikitra.

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT