kolontsaina

Mpanakanto miteniteny foana Tokony handraisan’ny tompon’andraikitra fepetra


  • Talata 07 Febroary 2023

Mitombo isa hatrany ireo mpanakanto miteniteny foana anaty tononkira sy manao fihetsika mamoafady ao anatin’ny horonan-tsary havoakany eto amintsika.

Tena loza mananontanona ho an’ny fitaizana ny zaza Malagasy izy ireny raha araka ny fanazavan-dRamamimampionona Gérard izay mpandinika ny fiaraha-monina ka tokony handraisan’ny tompon’andraikitra fepetra. Diso mandray azy ireny loatra mantsy ny ankizy noho ny fivoaran’ny teknolojia ankehitriny. Amin’ny alalan’ny finday eny an-tanany dia efa mihaino sy mijery ny ankizy iray ka tavela sy tsy voarain’izy ireny intsony soa toavina Malagasy hoy hatrany izy. Miantso ny Ray aman-dReny ho mailo araka izany ity tompon’andraikitra ity ka hanamafy ny fitaizana ny ankizy ao an-tokantrano. Rehefa mafy orina tsara mantsy ny fitaizana sy ny fitsipika tokony arahin’ny ankizy hapetraka ao an-trano dia tsy ho varimbariana foana amin-javatra tsy misy dikany izy ireny hoy hatrany ity mpandinika fiaraha-monina. Miantso ireo tompon’andraikitra mba hijery akaiky ity tranga ity ihany koa Ramamimampionona Gérard ho fiarovana ny fanabeazana ny zaza Malagasy.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT