Mpanakanto Matsubara

Nisarika ny malagasy mba tsy hianatra loatra


  • Alakamisy 20 Novambra 2025

ny toetran’ny frantsay intsony

Rehefa resy ry Hitler tamin’ny ady lehibe faharoa dia ny saina sovietika sy amerikanina ary britanika no nihofahofa fa tsy natao teo ny saina frantsay satria tsy nosokajiana ho isan'ny mpandresy, hoy ny mpanakanto sady mpikamban’ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM teo aloha, Matsubara. Tsy mba nisongadina an'ady izany ny frantsay raha tsy any amin’ireo zanataniny feno mpamadika tanindrazana toa an'i Madagasikara, hoy izy. Ny mampiasa ny samy zanataniny no fanao frantsay. Miaramila senegaly, ohatra, no nalefa taty amintsika hampandry tany. Ny miaramila gasy nalefa tany Alzeria. Ny resaka mpikarama an'ady no talentany ary efa misy rafitra ara-dalàna toy io «Légionnaire» io. Olona hafa volon- koditra foana no mampisongadina azy ireo, na mozika na baolina kitra na inona. Ny teny anglisy moa dia ireny alain'i Donald Trump baràka ireny ny mpanao gazety frantsay. Tena tsy havanana amin’ny tenin'olona ny frantsay. Malaza «Romantique» na mahay maneho fitiavana, hono, rizareo . Any moa azo atao metimety rehefa manana olana amin’ny «virilité» na tanjaka ara-pananahana. Tsy mba «Tigresse» na manentana anaty firaisana koa, hono, ny vehivavy frantsay ary saika misara-bady rehefa manodidina ny 40 taona eo satria malaky antitra dia io ny tohiny. Io hita aty amintsika io. Sipa gasy 19 taona mitolona dadabe frantsay 72 taona. «Porte feuille» na poketra mandehandeha. Ny an'ny frantsay dia ny fianarana no isan'ny lava indrindra nefa no tsy mahomby indrindra. Tia diplaoma loatra rizareo nefa mandiso fanantenàna amin’ny traikefa sy ny fitondran-tena dia io mahazo antsika gasy io. Ny frantsay dia ratsy toetra na eny an- dalambe na any amin’ny lava-tranony. Tia mimenomenona, tia mitsikera, tia manome tsiny olona, tia mitaky sy mila voatsiary ary matin-kanina. Jereo fa rehefa mba manana fiainana metimety izay ny gasy dia tsy vitsy ny te hanana toetra toy izany! Izaho dia tia teny frantsay na dia ny teny anglisy sy ny tontolony aza no nandaniako ny androm-piainako sy ny fiofanako ary mifanosina amin’ny Alliance française sy ny IFM amin’ny resaka mozika fa tiako ny tanindrazako, hoy hatrany ity mpanakanto sady mpikamban’ny CFM teo aloha ity nisarika ny malagasy mba tsy hianatra loatra ny toetran’ny frantsay intsony ao anatin’izao rivotry ny fanovàna izao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT