kolontsaina

Mpanakanto malagasy Tsy apetraka amin’ny toerany, hoy H – Sean


  • Alarobia 23 Janoary 2019

Azo lazaina ho mpanakanto mbola tanora herotrerony eo amin’ny sehatry ny mozika i Hasina Andriantsarafara Raveloson na H – Sean, tovolahy vao 26 taona monja.

 

 Ny taona 2010 no nanombohany ary ny mozikan’ny tanàn-dehibe toy ny Rap sy ny RNB no tena fiangaliny. Ilay hira mitondra ny lohateny hoe “For my ex” sy “Superstar” no tena nahafantarana azy tamin’izany. Ankehitriny moa dia efa mivoaka any indray ry “ Andao hatomboka” sy “Ataovy mahamay” ary “ Ny tia sy ny manina”. Tanjon’ny mpanakanto ho an’ity taona ity ny hitondra lohateny vaovao miisa 5 indray izay tsara kokoa hatrany. Eo indrindra koa anefa ny hanandratra ny mozika Malagasy. Manan-talenta sy efa mivelatra eo amin’ny sehatra iraisampirenena, hoy ny tenany, ny mpanakanto Malagasy ankehitriny, saingy ny lesoka dia tsy apetraka amin’ny toerany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT