mikasika ny fiainam-pirenena
Enga anie ka ho diso ity ahiahy ity, hoy ny mpanakanto Rafifi Nabs Randriamanantena, ao amin’ny tarika Nabaoh, omaly, saingy raha toa ka izao no sanatria tanteraka dia eo no tena mety ho loza lehibe mitatao amin’i Madagasikara, indrindra, mikasika ny mety handraisana eto an-tanindrazana ireo mpitsoa-ponenana voaroaka avy any Etazonia. Araka ny vaovao navoakan’ny gazety Africa Intelligence, hoy izy, dia voalaza izany fa nisy iraka manokana nalefan’ny filoha amerikanina, Donald Trump, tonga teto Madagasikara ny 6 janoary lasa teo. Ny tanjon’izany dia ny hifampidinika manokana amin’ny fitondram-panjakàna malagasy mahakasika ny mety ho fifanaraham-piaraha-miasa momba ny fandraisana ireo olona mpitsoa-ponenana noroahina avy any Amerika. Efa maro amin’ireo firenena Afrikanina no voalaza fa voakasika amin’ity raharaha ity. Noho izany, dia adidy ara-demokratika sy ara-pirenena ho antsika rehetra ny manara-maso akaiky sy mitsara am-pahendrena izay mety ho fanapahan-kevitra raisina eto amintsika. Madagasikara dia an’ny malagasy rehetra. Ny fanapahan-kevitra rehetra dia tsy maintsy hajoro amin’ny tombontsoan’ny vahoaka, ny fiandrianam-pirenena, ny rariny ara-tsosialy, ary ny hasin’ny tanindrazana, miaraka amin’ny fahendrena ara-panahy sy ny fanajàna ny mahaolona. Ilaina ny fahamailoana, ny vavaka, ary ny firaisankina. Madagasikara dia tsy tokony ho toerana handosiran’ny tsy fahombiazan’ny politika any an-kafa fa ho firenena mahaleotena, mijoro amin’ny hasiny sy ny fahamarinany, hoy hatrany ity mpanakanto ity. Tsikaritra ho navitrika naneho hevitra mikasika ny fiainam-pirenena tato ho ato ireo mpanakanto. Isan’ny nifanesy nanao izany, ohatra, ny mpanakanto Betie, naneho hevitra mikasika ny fanendrena an’ilay tovolahy antsoina hoe Mikolo, ho mpanolontsain’ny praiminisitra. Vao ny talata teo koa ny mpanakanto Kougar no naneho ny heviny mikasika ny fomba fijerin’ireo mpanara-baovao manoloana amin’izao fotoana izao mihitsy ary omaly moa dia io naneho ny ahiahiny io indray i Rafifi.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.