kolontsaina

Mpanakanto Malagasy Iharan’ny famotehana marolafy


  • Alakamisy 26 Aprily 2018

Eo ihany ny fanakatsakanan’ireo ben’ny tanàna sy solombavambahoaka sasantsasany ny fampisehoana ataon’ireo mpanakanto malagasy rehefa tsy mampiasa ny fanamafisam-peom-panjakana, raha ny nazavain’ireo sendikan’ny artista tetsy amin’ny kianjan’ny kanto tamin’ny herinandro, fa amin’izao fotoana izao koa dia mitaraina izy ireo fa mirongatra be ny fangalarana ny tsangan’asany any anaty tambazotran-tserasera any.

 
Ny mpanakanto mpiangaly ny gadona R’N’B iray, raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Gasy ploit, no niharan’io voalohany ny taona 2012. Ity trano famokarana manome ny fanazavana ity kosa dia nanjavonana rakitsary miisa 536 tao anaty Youtube nanomboka ny alatsinainy teo. Ny mailak’ireo mpanakanto no hangalarin’ireo jiolahin-tambazotra hahafahany milaza any amin’ny Youtube avy eo fa azy ireo rakitsary fa ilay tompony indray no lazainy ho nangalatra. Vokatr’izay dia fafan’ny Youtube tao ireo sangan’asa ka ny vola tokony hiditra amin’ireo mpanakanto vokatry ny fijeren’ny olona azy ireo amin’ny Youtube dia lasan’ireo jiolahy.  Mpanakanto mpiangaly Rap iray koa no nitaraina fa very rakintsary miisa arivo be izao. Mampitaraina ireo mpanakanto ny zava-misy satria ireny rakitsary ireny no mba hany lalana mety hahatafita azy ireo eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ireo hetsika iraisam-pirenena mantsy, hoy ny fanazavana, dia manara-maso ny fitombon’ireo mpanaraka azy ireny ka rehefa latsaky ny fenitra takiana dia tsy ho tafiditra na oviana amina hetsika goavana eto ambonin’ity tany ity ireo mpanakanto ankoatry ny hoe mihena be ny vola miditra aminy ary mety hamono antoka mihitsy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT