kolontsaina

Mpanakanto Fidimalala Notolorana «Commandeur de l’ordre de l’Art et de la Culture»


  • Alarobia 30 Novambra 2022

Tontosa omaly tetsy amin’ny tranombokim-pirenena etsy Anosy ny fanolorana mariboninahitra «Commandeur de l’ordre de l’Art et de la Culture» an’i Fidimalala na Rafidimalala Robert.

Mpisehatra tao amin’ny Tropy Lisiniarivo notarihin’I Jean-Marie Rakotomalala izy sy Barijaona ary efa nilalao tao amin’ny tropy Antananarivo Teatra notarihin’I Ramanda Albert ihany koa izy roalahy. Niondrana an-tsambo nankany Frantsa I Fidimalala sy Barijaona ka i Ranaivo Ranarivelo no nandray azy roalahy niaraka tamin’ny vadiny avy tany Frantsa. Ranaivo Ranarivelo no namoron-kira nampalaza azy ireo. Rehefa nodimandry i Barijaona, dia nifindra tany Alemana I Fidimalala, ary mbola nanohy nihira sy nanandratra ny zava-kanto malagasy. Tany amin’ny taona 1980 no tafody taty an-tanindrazana ary nanohy nihira sy mitendry gitara ka mbola niaka-tsehatra ihany I Fidimalala farany teo niaraka tamin’izay gitarany izay na dia efa ho feno 95 taona amin’ny volana aprily izao aza, hoy hatrany ny fanazavana. Navoaka tamin’ny fomba ofisialy teny an-toerana koa moa ny boky mitondra ny lohateny hoe «Vorona ô !», izay mitantara ny lalana nodiavin’izany Barijaona sy O’Suza na Odette Suzanna izany ary mamelona ireo tononkira nahalalana ny tarika ihany koa. I Fidimalala moa dia isan’ireo akanga sisa nanamborana mbola velon’aina ankehitriny tamin’ireo mpanakanto naman’i Barijaona mivady, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT