kolontsaina

Mpanakanto Elidyat “Hanao fitetezam-paritra any Diana”


  • Alakamisy 08 Septambra 2022

Nanomboka ny taona 2017 no niditra tanaty sehatry ny mozika Malagasy i Elidyat, hoy ity mpanakanto ity. Nisy fampiaraham-peo tamin’ny anadahiko,

Elidio, mitondra ny lohateny hoe “Aza mipaipay”, hoy izy, nidirako tamin’ny mozika. Efa maro ankehitriny ny vokatra toa an-dry “Isaka aia”, “Fitia mifamaly”, “Tsy nialanao zah”. Hisy fampiaharam-peo miisa 3 koa ato ho ato. Ny vokatra manaraka ankoatran’izay moa dia ilay hoe “Tsy ngoma”. Ny tanjona ao anatin’ny kanton’I Elidyat dia ny mba hampita hafatra amin’ny mpankafy ary hanome zava-baovao hatrany ho azy ireo. Hisy ny fitetezam-paritra atao any Diana amin’ny volana novambra izay iarahana amin’ireo artista namana moa ankoatran’izay. Sarotra ary tsy toy ny taloha ny mitady zava-baovao mahaliana ny mpankafy ankehitriny satria dia mila ambiansy vaovao foana koa zareo. Mila tsy kivy noho izany fa mihetsika foana mitady hoe inona indray no tokony atao, hoy hatrany i Elidyat.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT