Mpanakanto Do B

Notolorana mari-boninahitry ny kanto


  • Alatsinainy 25 Septambra 2023

Notoloran’ny fitondram-panjakana ny mari-boninahitry ny kanto, soratra ary ny kolontsaina ny mpanakanto Do B,

raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Tanora vao erotrerony kanefa efa manana ny lazany maneran-tany. Nikiry, niasa ary niezaka ka nahatratra tanjona amin’ny maha matihanina azy momba ny kolontsaina famoranana feon-kira amin’ny vava na “Beatbox”ny lehilahy raha tsiahivina. Taorian’ny fifaninanana maneran-tany «Beatbox Battle World Championsip» notanterahina tany Alemanina, izay nandraisany anjara ka nibatany ny laharana voalohany teo amin’ny sokajy « Vocal scratch », dia notoloran’ny fanjakana malagasy, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, ny mari-boninahitra “Chevalier de l’ordre des arts, des lettres et de la culture” ny sabotsy teo i Rasolofoarison Ronaldo na Do B. Taranja ara-kolontsaina mbola tsy nahazatra ny maro teto Madagasikara ny “beatbox” na dia efa manana ny toerany azy aza any ivelany. Nisy ihany koa moa iny sabotsy iny ny fampisehoana niarahan’i Do B tamin’i Moni, Bolo ary i Epistolier tetsy amin’ny Ivokolo Analakely ho fanomezan-tsiro ity lanonana fankasitrahana an’i Do B ity, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT