kolontsaina

Mpanakanto BIG MJ “Zonay ny miteny, maro no te hiteny fa tsy sahy”


  • Talata 17 Novambra 2020

Io ilay izy averiko eto indray ny programan’i rah tonton BIG MJ TOUR 2020, hoy ny mpanakanto Big MJ omaly,

 

 

 namoaka tao amin’ny tambajotran-tseraserany izay misy fampisehoana 29 nanomboka ny 31 oktobra-31 desambra. Ny tenanay tompoko tsy miady na amin’iza na iza fa zonay kosa ny miteny ary maro ny te hiteny ohatranay fa tsy sahy. Misy ny faly misy ny tsy faly misy nankasikatra misy tsia. Ilay izy tsotra, ireo izao lay datinay dia mba miangavy aan-tanan-droa mba teneno mialoha izay tokony hofoananareo amin’ireo daty ireo fa aza kapohana tampoka fotsiny izahay fa marary aminay dia izay dia tapitra. Ohatry ny lasa resabe indray ilay izy fa isika ve tsy mahazo miteny?” hoy ity mpanakanto ity. Tsiahivina fa efa naneho ny alahelony tamin’ny fanafoanana ny fampisehoana, toy ny tokony ho nataony tany Ambalavao i Big MJ, kanefa navela malalaka sy tafiditra teto ilay Mpihira Afrikanina Zikode Nacembo, izay nahavory vahoaka maro, toy ny tany Sambava sy Toamasina. Tsy nisy resaka fanajana isa tsy latsaky ny 200, tsy nisy resaka fanajana elanelana, ny 90% tsy manao arovava orona. Fa rehefa mpanakanto Malagasy ve dia tsy maintsy henjanina, fa rehefa ny vahiny afaka manao izay tiany? Tsy dia misy “valeur ajoutée” na zavatra entiny firy ho an’ny Malagasy ny fahatongavana mpanakanto malaza tahaka ireny ao anaty fotoan-tsarotra tahaka izao, afatsy ny tsinjaka sy ny “ambiance” hoentiny. Tsy hoe tsy fitiavana vahiny, fa hafa indray raha mpanakanto Malagasy, izay Malagasy tahaka azy ihany no mandoa vidim-pidirana mamelona Malagasy tahaka azy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT