Nafana tanteraka ny ambiansy ho an’ny tarika Mage 4 sy ny mpankafy tetsy Antsahamanitra omaly.
“Samy faly” arak’ilay hiran’ny tarika ny an-daniny sy ny an-kilany tao anatin’ny ora maromaro. Voaporofo hatrany ny mbola maha mafy sy matanjaka ny tarika Mage 4, hany ka na ny tapakila aza tsy ampy intsony satria lany tanteraka na “Guichet fermé”, ka nisy tamin’ireo mpankafy no tsy afa-nanoatra. Ny filaharana rahateo efa tany anoloan’ny Lapan’Ambohitsorohitra ny halavany. Nanakoako ireo hira malaza nahafantarana ny tarika hatramin’izay, toy ny fo vaovao, fefy tsilo, aza hitserana,… ary nisy tamin’ny hira vaovao ihany koa no nohiraina teny Antsahamanitra. Matihanina tanteraka ny seho na teo amin’ny fikarakarana na teo amin’ny haingon-tseho sy haingon-tsehatra, toy ny setroka sy afo, izay anisan’ny mampitombo hatrany ny ambiansy, hany ka ny masoandro nody no nampahaleho. Tsara ny manamarika fa ny Ivenco no nikarakara ny hetsika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.