Mozika mikodana

Hotohizan’i Kiady eto Antananarivo


  • Alakamisy 22 Aogositra 2024

Taorian’i Toamasina sy Mahajanga dia mitodi-doha eto Antananarivo ankehitriny ny mpanakanto,

ela nietezana teo amin’ny fiangaliana mozika Soul, Kiady. Ho tohizan’i Kiady eto Antananarivo ny «Mozika mikodana» itetezany faritra amin’izao fotoana izao, raha ny fanazavan’ity mpanakanto ity. Tsy lavitra fa ny alin’ny rahampitso zoma 23 aogositra 2024 ihany dia efa hisy ny seho ho atolony ao amin’ny No comment Bar Isoraka, ao anatin’izay fizarana mozika mikodana izay hatrany. «Izaho sy ianao», «Tsy misy fatiantoka», «Porofom-pitiavanao», «Am-pahatsorana milanto», «Tsory», «Tretrika», «Itantarao fitiavana», «Izay ilay fitiavana» sy izay rehetra nahafantaranao izany Kiady izany dia hamakivaky ny alina indray izany rahampitso any Isoraka any.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT