kolontsaina

Mozika mavesatra Mandalo eto ny tarika Antariksh avy any Inde


  • Talata 22 Oktobra 2019

Mpanakanto Indiana nosokajian'ny fahitalavitra Mtv ho malaza indrindra any Inde no tonga nanatanteraka fampisehoana teny amin'ny Plaza Ampefiloha omaly hariva nanomboka tamin'ny 7ora hariva.

 

 

 Antariksh no anarana isaloran'ny tarika ary ny gadon-kira rock mavesatra no tena manavanana azy. Zava-dehibe ny fahatongavan'ity tarika ity eto Madagasikara, hoy ny Masoivohon'i Inde miasa sy monina eto amintsika raha nanokatra ny fampisehoana. Endrika iray ahazoana mampandroso ny sehatry ny fizahantany mantsy, hoy izy, ny fandalovan'ny mpanakanto malaza amina firenena iray. Tonga nanatrika ity fampisehoana ity rahateo ny minisitry ny fitaterana sy ny fizahantany ary ny famantarana ny toetr'andro. Nanamafy ihany koa ny ambasadaoron'i Inde fa efa asa natao ny fampahafantarana ny kolontsaina Indiana ary isaky ny faran'ny herinandro dia misy foana ny hetsika atao.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT