kolontsaina

Mozika Betsaka no mirona amin`ny fampianarana hira


  • Sabotsy 12 Mey 2018

Tao anatin`ny 16 taona nijoaroany, tena nahafantarana ny Cours de Clavier et de Chant Hery Andriantahina na CCHA ny fampianarana mitendry “clavier”, indrindra ny fitendrena any am-piangonana sy ny fitendrena hira ara-pilazantsara.

 Namoaka ny andiany faha-26 ny sekoly omaly tetsy amin’ny LTC Ampefiloha ary miisa 20 izy ireo. Tsy vitan`ny mampianatra mitendry ny sekoly fa nivelatra amin`ny fampianarana mihira ihany koa. Mihabetsaka ireo toeram-pampianarana mihira raha ny fanazavan`ny tompon`andraikitra, Hery Andriatahina. Efa namoaka andiany roa ny sekoly, izay mifantoka kokoa amin`ny fampianarana mihira ao anatin`ny antoko mpihira na chorale. Nanamafy ny talen-tsekoly fa fanomezam-pahasoavana avy amin`Andriamanitra ny fahaiza-mitendry, izay zaraina amin`ny hafa ka rariny raha enti-midera amin`ilay Nahary ny talenta nomeny. Raha tsiahivina, efa miparitaka any Ambatolampy sy any Antsirabe ny sampan`ity sekoly ity amin`ny lalam-pirenena fahafito iny hatrany Antsirabe mba ho fanitarana sy fampiroboroboana ity fampianarana hira ity.  


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT