kolontsaina

Mozea Rainilaiarivony Maimaimpoana ho an’ny mpianatra rehefa alarobia


  • Alarobia 19 Aprily 2023

Notokanana androany 18 aprily 2023 ny Mozea Rainilaiarivony izay toerana nonenan'ny Praiminisitra Rainilaiarivony, mpitantana malagasy nanana ny maha izy azy,

hoy ny fampitam-baovaon’ny fiadidiana ny filohan’ny repoblika omaly. Harem-bakoka mila kojaina ity toerana ity satria maro ireo fanapahan-kevitra mahakasika an'i Madagasikara no noraisina teto amin'ity toerana ity, hoy ny fanazavana. Ny taona 1978 no nahalasa harem-bakom-pirenena ity toerana ity ary tamin'ny taona 2019 vao nanomboka nasiam-panarenana ary izao lasa mozea izao. Ny Praiminisitra Rainilaiarivony no mpitondra fanjakana naharitra indrindra teto Madagasikara ary olona nanam-pahaizana teo amin'ny resaka paikady politika sy nahafehy ny resaka diplomasia ary nitondra ny fanaovazana teto amin'ny firenena. Ny fitiavana sy fandalinana ny tantara dia mamelona ny afon'ny ambompom-pirenena. Mila olona tia tanindrazana isika ary ny asa izay atao no mitoetra fa ny olombelona mandalo, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina. Efa misokatra ho an'ny daholobe ity Mozea Rainilaiarivony ity. Amin'izao fiandohana izao dia 500 Ariary ny tapakila ho an'ny malagasy ary 5000 ariary ho an'ny terantany vahiny. Maimaim-poana kosa ny fitsidihana izany isaky ny alarobia hariva ho an'ireo mpianatra, hoy hatrany ny fanazavana mikasika ity mozea etsy Amboditsiry ity.
J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT