Mitaraina ny tany” nosoratan’i Andry Andraina

Nivoaka ofisialy ny dikateny frantsay


  • Zoma 01 Desambra 2023

Tontosa omaly tetsy amin’ny Tranom-bokim-pirenena etsy Anosy ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny boky

tantara foronina na “Roman” nosoratan’i Andry Andraina na Razafindrazaka mitondra ny lohateny hoe “Mitaraina ny tany” amin’ny teny frantsay. Ny mpanoratra Tefy na Andriamahery Raoelison Théophile Jean no nanao ny dikateny ary ny edisionina Tsipika kosa no nanonta ny boky. Nisy mpiara-miasa maro, hoy i Tefy, niaraka tamiko ka dia io no nandikana azy hoe “De douleur, la terre gémit”. Kanto sy manana endrika ilay asa soratra, hoy izy, ary tena manasongadina ny hasin’ny kolontsaina malagasy. Ny tanjona dia fara-faharatsiny mba hain’ireo firenena hafa miteny frantsay hoe iza marina moa ity Andry Andraina izay teraka ny 30 janoary 1922 ary nodimandry ny taona 2006 ity? Ny fantatry ny olona mantsy dia ry J.J Rabearivelo na ry David Jaomanoro, ho an’ireo mpanoratra taty aoriana, fa ny mpanoratra tena malagasy toa an-dry Andry Andraina dia tsy fantatr’izao tontolo izao afa-tsy isika malagasy ihany. 300 pejy eo ny boky. Samihafa tanteraka moa ny kolontsaina frantsay sy malagasy saingy rehefa mandika teny ianao dia tsy maintsy mitandrina hoe voahaja ny tian’ny mpanoratra malagasy lazaina ary mijery hoe iza no tiana hampitana ny hafatra? Ezahana ho kanto ilay soratra ary manaraka ny fenitry ny tenin’ilay firenena handikana azy. Ireo lazaova miisa 4 ireo no mametra ny fepetra fandikan-teny, hoy hatrany ity mpanoratra sady mpandika teny ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT