kolontsaina

Mitana ny hasin’ny tany rova Andriambahoaka Ny 17 sy ny 18 Martsa ho avy izao no taom-baovao Malagasy


  • Sabotsy 17 Febroary 2018

Hankalazaina ny17 sy 18 martsa ho avy izao ny taom-baovao Malagasy taona 2018. Ny 17 martsa mantsy no maty ny volana, izany hoe mifarana ny taona. Tapitra ihany koa ny fotoam-pahavaratra, amin’ny ankapobeny, madio ny tany ary manomboka miditra anaty tsinam-bolana isika.

Vory tanteraka ny hasin’ny tany amin’io, araka ny fanazavan’ny “Mitana ny Hasin’ny Rova Andriambahoaka Afovoan’ny tany”, izay mpikarakara ny hetsika,  tamin’ny mpanao gazety, omaly tetsy amin’ny hotel Colbert Antaninarenina. Manomboka miakatra ihany koa ny vokatra, hoy izy ireo, izay tokony hotsenaina ao anaty hafaliam-be. Mialoha izany anefa, hoy hatrany ny fanazavana, dia tokony hifamela ny samy Malagasy, hamotsotra ireo karazana alahelo any anatin’ny fony avy mba hahafahana mandray indray ireo karazana fahasoavana avy amin’ny any ambony. Tonga nanatrika ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety ireo Raiamandreny avy amin’ny lafivalon’ny Nosy. Nomarihin’izy ireo moa fa  volana martsa no taom-baovao Malagasy, satria tsinanana ny Alahamady ka tokony samy hankaza izany avokoa ny rehetra, tsy hanavahana finoana na fihaviana.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT