kolontsaina

Miss monde 2021 Hanainga anio alina ny solontena Malagasy


  • Alarobia 17 Novambra 2021

Hanainga anio alina hihazo an’i Porto Rico ny solontena Malagasy handray anjara amin’ny tompondaka eran-tany eo amin’ny hatsaram-bika sy tarehy na Miss monde 2021, Saya Nellie Anjaratiana.

 Mialohan’ny higadonany ao an-toerana dia handalo andro vitsy ao Paris Frantsa, hihaona amin’ny fianakaviana sy hanatanteraka fakan-tsary aloha ity andriambavilanitra Malagasy ity. Ny 21 novambra hatramin’ny 16 desambra 2021 izao moa no ho tontosaina ny dingana famaranan’ity fifaninanana iraisampirenena goavana indrindra eo amin’izay lafiny voalaza teo izay ity. Ankoatran’izay fijerena ny lafiny tarehy sy bika izay anefa dia ho jerena amin’ny mpifaninana tsirairay ihany koa ny fahaiza-manao hafa ka hisy noho izany mialoha ny hiaingana ao Paris amin’io 21 novambra io ny fanofanana amin’ny lafiny fanatanjahantena, asa famoronana eo amin’ny resaka fianjaika ary hisy ihany koa ny fametrahana fanontaniana ireo mpifaninana rehetra mikasika ny fahalalana ankapony avy. Tsara ny manamarika fa nialohan’ny naha Miss Madagascar 2020 ny volana jolay 2020 azy dia lany Miss Diaspora nandritry ny fifaninanana nokarakarain’ny fikambanana Dera tao Frantsa ihany koa I Saya Nellie Anjaratiana ny 12 oktobra 2019.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT