kolontsaina

Miss Madagascar andiany faha-4 Amin’ny zoma alina ny dingana famaranana


  • Alarobia 13 Desambra 2017

Tonga amin’ny dingana famaranana ankehitriny ny Miss Madagascar andiany fahefatra. Hotontosaina amin’ny zoma 15 desambra ho avy izao etsy amin’ny Hotel Carlton Anosy ny famaranana ny hetsika, handraisan’ireo tovovavy miisa 16 anjara.

Tokony ho 18 ireto farany raha araka ny fanazavan’ny mpikarakara, omaly saingy  tsy afaka tamin’ny ora farany ny roa. Hisolotena an’i Madagasikara amin’ny “Miss Monde 2018” izay ho  lany amin’izy 16 vavy ireo. Raha ny nambaran’ny filohan’ny komity mpikarakara, Rakotoniaina Karen, omaly, dia ho matotra ny mason-tsivana hifantenana azy 16 vavy ireto. Ankoatra ny hatsaran-tarehy dia ilaina ihany koa ny fahaizana amin’ny ankapobeny, indrindra fa ny fifehezana ny teny vahiny... Hampiavaka ity “Miss” atao eny amin’ny Carlton Anosy ity moa  ny fisian’ireo  mpandray anjara avy any amin’ny Nosy rahavavy La Réunion, lany tamin’ny Miss taona 2015. Hifampizara traikefa amin’ireo mpifaninana Malagasy izy mandritra izany no sady  handray anjara  amin’ny fifantenana sy ny fitsarana ireo Miss Malagasy ireo ihany koa.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT