kolontsaina

Miss Jeunesse Madagascar Razafimahaleo Daniellah no lany


  • Zoma 25 Aogositra 2017

Razafimahaleo Daniellah, tovovavy kely vao 16 taona avy any Fianarantsoa no lany hisalotra ilay anarana Miss Jeunesse Madagascar taona 2017.

 

Taona voalohany amin’ny lalam-piofanana “Marketing” ny tovovavy. Fianarana maimaimpoana mandritra ny telo taona any ivelany no valin’ny ezaka nataony. Milaza ny tsy hijanona amin’izao fotsiny izy fa afaka manatanteraka soa aman-tsara ireo tetikasany ihany koa. Anisan’izany ny ady amin’ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny ditra maro samihafa mety hataon’ny ankizy. Ankotra izay dia hiezaka hanao asa soa sy hiseho amin’ny sehatra maro samihafa ihany koa. Ny “miss jeunesse world” sy ny mpikarakara eto Madagasikara ary ny KOLO TV no nanolotra ireo karazan-doka roa ireo arahin’ny  fivahinianana any Frantsa amn’ny volana martsa 2018 mandritra ny fifidianana izay tovovavy tsara tarehy indrindra any an-toerana. Nambaran-dRtoa Hary Yvette anisan’ireo mpikarakara tamin’ny mpanao gazety omaly moa fa  sambany  tamin’ity taona ity no nisy fifidianana voalohany momba ny “Miss Jeunesse Madagascar” teto amintsika.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT