kolontsaina

Miss et Mister Malagasy-Frantsa Hanampy ireo ankizy sahirana


  • Alakamisy 23 Mey 2019

Nigadona omaly teto an-tanindrazana i Sophie Randria sy Edwin Neverson, masoivohon’ny Miss & Mister Malagasy, any Frantsa.

 

Hanao hetsika sosialy hanampiana ireo ankizy sahirana 200 mahery  eto amintsika no tena anton-dian’izy ireo, misandrahaka amina   faritra telo dia  ny eto Antananarivo sy Toamasina ary Mahajanga, toerana niavian’izy mianadahy ireto. Hizarana fitaovam-pianarana sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro avokoa ireo ankizy ireo, raha ny fantatra. Vola  mitentina 32 tapitrisa Ar  no hampiasainy amin’izany, vokatry ny fanangonam-bola nataon’izy ireo. Anisan’ny manohana azy ireo akaiky amin’ity asa soa sahaniny ity  Ralantoarisoa Jay Sam, izay nitondra fanazavana fa ny mba hahafahana manome tanana ireo mpiray tanindrazana eto Madagasikara no tanjona.  Tsiahivina fa tao anatin’ny folo andro monja no nahafahan’izy mianadahy ireto nanangona io vola voalaza etsy ambony io.

Pati sy Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT