kolontsaina

Miss et Mister île Madagascar Tafiditra ao anatin’ireo telo voalohany i Onintsoa Daniella


  • Zoma 24 Novambra 2017

Tafiditra ao anatin’ireo telo voalohany mendrika indrindra hiatrika ny dingana famaranana amin’ilay hetsika Miss et Mister île Madagascar Rasoamanitrandrasana Onintsoa Daniella, ilay tovovavy kely avy eny Andoharanofotsy,

  Atsimondrano.  Hiatrika ny dingana famaranana izay hotontosaina ny sabotsy alina ho avy izao etsy amin’ny Live hotel ity tovovavy ambasadaoron’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano ity, aorian’ny fiofanana hatrehiny amina villa iray lehibe eny Ampitatafika. Misaotra sy mankasitraka  ireo mpanohana azy ny tenany. Anisan’izany ny Ben’ny tanànan’Andoharanofotsy Ranirison Hasina izay tsy nanao ambanin-javatra ny tolo-tanana ho an’ny tanora Malagasy te hivoatra tahaka izao. Efa mandeha moa ny fifidianana amin’ny alalan’ny fandefasana Sms  amin’ny alalan’ny finday amin’izao, raha toraka izany ihany koa ny pejy facebook. Tsara ny manamarika fa hihaona avy hatrany amin’ireo “miss mister Malagasy en France” any Frantsa izay tovovavy hibata ny laharana voalohany taona 2017 amin’ity hetsika “miss et mister ile Madagascar” ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT