kolontsaina

Misaona ny zava-kanto sy ny mozika Nodimandry i Sammy Rastafanahy


  • Alatsinainy 20 Septambra 2021

Nodimandry ny sabotsy 18 septambra 2021 lasa teo ny Mpanakanto Sammy Rastafanahy na Raharisoa Samuel, fantatra tamin’ny anaram-bositra ihany koa hoe “Dollar”,

 mpanakanto Malagasy fantatra teo amin’ny fiangaliana ny mozika “Reggea”. Isan’ny nanandratra io gadona io, ary efa Filohan’ny Fikambanan’ny Mpanao Reggae, Filohan’ny Fikambanana Rasta teto Madagasikara. Nivoy hatrany fa ny “Reggae Feom-bahoaka”, ary namoronany hira manokana mihitsy io lohahevitra io. Isan’ny hira nahafantarana azy ihany koa ny “Mbola tsara”, “Angady”,… Notsaboina tatsy amin’ny Nosy La Réunion izy izao nodimandry izao. Tany amin’ny aogositra-oktobra 2016 no efa nanana olana momba ny fo na “maladie cardiaque” ity mpanakanto ity. Maneho fiaraha-miory sy mirary fiononana feno ho an’ny Fianakavian’I Sammy Rastafanahy manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.


Nisy ny hafatra avy amin’ny fianankaviany omaly hariva manao hoe:« Izahay fianakaviany Sammy tompoko dia maniry ny ampodiana ny nofo mangatsiaka an’tompokolahy an-tanindrazana ka noho izany dia mba mangataka tolotanana amtsika hanampy amin’ny fampodiana ny razana sy hanomezana fandevenana mendrika ho azy. Ito ny “liens cagnotte litchis” afahatsika manao izay ary ko orange money: http://www.leetchi.com/c/sammy-rastafanahy; Orange money : + 261 320296900 Rahelisoa Hanta Nirina ( anabaviny).
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT