kolontsaina

Misaona ny tontolon’ny zavakanto Nodimandry i Dadah -Mahaleo


  • Alatsinainy 04 Novambra 2019

Hatairana tsy nisy ohatr’izany ny an’ireo mpankafy ny tarika Mahaleo omaly raha nandre fa nodimandry tampoka ihany koa i Dadah Rabel na Andrianabela Rakotobe tapa-bolana monja taorian’ny nahalasan’i Fafah.

 

 

Nifanontany sy niantsoantso tetsy sy teroa, nivoaka avy eo ny vaovao ofisialy izay nohamafisin’ireo akaikin’ny Tarika Mahaleo fa tena tsy namana intsony tokoa i Dadah.. Araka ny fanampim-baovao dia sondrovaka teo am-pisakafoanana ary tsy tonga tany amin’ny hopitaly intsony ny tenany. Mpamoron-kira sady mpitendry gitara ary mpihira ao amin’ny tarika Mahaleo i Dadah. Maty tany Antsirabe teo amin’ny faha-65 taonany ity anisan’ny mpamorona ny tarika sady andrarezin’ny famoronana ity. Taorian’ny Raoul tamin’ny Septambra 2010, Nonoh rahalahiny tamin’ny 2014 ary Fafah vao tsy ela akory, 20 oktobra dia lasa nandao ny tany ihany koa i Dadah Rabel. Ankoatry  ny fahaizany mamoron-kira izay tsy mety lefy mitantara ny fiainanam-pitiavana, ny fiaraha-monina eny hatramin’ny ara-panahy dia miavaka i Dadah Rabel satria izy ihany no manao ba gasy na ny “accord gasy” ao amin’ny tarika. Dokotera mpandidy mahay ihany koa ny tenany ivelan’ny  maha-mpanakanto azy. Hanaraka anao, iantrao, tsara tsodrano, manembona, ray sy zanaka ary maro be ny hira noforonin’i Dadah Rabel. Niara-miasa sy nihira tamin’ny mpihira matihanina maro be koa ny tenany. Anisan’ireny i Bessa, Rija Ramanantoanina, Bodo, Poopy, Inah, ny Sakelidalana. Manamarika ny lehilahy ny tsiky sy ny fihomehezany eny ambony lapihazo indrindra rehefa tsy mahatadidy tononkira izay ny namany Fafah. Hita ho tena nihetsi-po i Dadah tamin’ny fanaovam-beloma an’i Fafah tapa-bolana lasa izay maso manganohano, feo somary malefaka no nisaorany ny mpankafy sy ny maro nanohana sy nankahery ny tarika. Very olomanga ary tena banga ny tontolon’ny zavakanto Malagasy; namela mamy ho dimbiasan’ny taranaka faramandimby ihany koa anefa i Dadah Rabel.Mirary fiononana feno ho an’ny Fianakavian’ny Maty sy ny tarika Mahaleo ary mankahery ny rehetra tohina noho izao voina izao ny Gazety Tia Tanindrazana.

Tsirinasolo sy RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT