kolontsaina

Misaona ny tontolon’ny zava-kanto Nodimandry tampoka i Bakomanga


  • Zoma 03 Jolay 2020

Nodimandry tampoka omaly alakamisy 2 jolay teo amin’ny faha-67 taonany Rasoarinala Mariette fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Bakomanga eo amin’ny tontolon'ny zava-kanto.

 

 

 

Fahatapahan’ny lalan-dra no voalaza fa antony niteraka ny fahafatesany. Teraka ny taona 1953 i Bakomanga, ary i Manga no fiantsoan'ny Ray aman-dreniny azy fony fahakeliny. Teo amin'ny faha-13 taonany izy no nanomboka nihira, ka ny feo mangany no nahatonga ilay anarana hoe “Bakomanga”. Mpihira sady mpandihy tao amin'ny Tarika Ramafadrahona izy nanomboka ny taona 1964. Nandeha irery ary nanana tarika nitondra ny anarany hoe "Bakomanga" nanomboka ny taona 1996. Hira gasy sy vako-drazana malagasy no tena nahalalana azy, ary efa nitetezany faritra maro teto Madagasikara sy firenena maro nanaovan’ny tarika fampisehoana toa an’i Alzeria, Amerika, Frantsa, Japana, Maorisy,... Vao tsy ela izy no hita nanao ilay hira fanentanana hiadiana amin'ny valanaretina COVID-19 eto Madagasikara, izay isan’ny asa kanto farany nataony. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany sy mpankafy ny kantony manontolo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT