Misaona ny sarimihetsika Malagasy

Namonjy ireo namany efa lasana i Emmanuel Malok’ila


  • Alakamisy 11 Aprily 2024

Misaona ny tontolon’ny sarimihetsika Malagasy. Nodimandry ny marainan’ny omaly 10 aprily 2024 i Emmanuel,

anisan’ireo mpilalao sarimihetsika malaza nisongadina tao anatin’ny horonantsary Malok’ila, izay tena nankafizin’ny Malagasy. Herintaona lasa tahaka izao moa no nisian’ilay tsaho nilaza fa maty i Emmanuel Malok’ila, izay tojo tsy fahasalamana tamin’izany fotoana izany. Mpiara-milalao taminy tao anatin’io horonantsary novokarin’ny Scoop Digital io no efa nialoha lalana, dia Dr Johary, Mariane, Rabodo, Bebe Mémé, Ra-Jacky, Ralay, ary io lasa namonjy ny tontolo hafa niaraka amin’izy ireo io ihany koa I Emmanuel. Horonantsary tena nampitokiky ny Malagasy ny Malok’ila ary azo lazaina ho taratra sy mifono lesona ho an’ny fiarahamonina ihany koa. Toa lasa ara-bakiteny eo amin’ny tantaran’ny Malok’ila ilay lohateniny eo anatrehan’ny fahalasanan’ireo mpilalao maro, saingy mety ho fifandrifian-javatra ihany. Naneho fiaraha-miory eo anatrehan’ny fahalasany moa ny fianakaviamben’ny mpilalao sarimihetsika Malagasy ny andron’ny omaly. Ankoatra ny maha mpilalao horonantsary an’i Emmanuel, dia sady mpanolontsain’ny kaominina ao Soalandy Ankadivoribe izy raha ny fanamarihana. Mirary fiononana feno ho an’ny Fianankaviany manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Nangonin’I Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT