kolontsaina

Misaona ny fanaovan-gazety Nodimandry i Seva Mboiny


  • Alarobia 26 Jolay 2023

Nodimandry teo amin'ny faha 67 taonany i Seva Mboiny Simon izay tale jeneralin'ny ORTM teo aloha (2003 - 2009) ary talen'ny RNM teo anelanelan'ny taona 1993-1997,

hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Nianatra fanaovan-gazety tany amin'ny Firaisana sovietika izy tamin'ny repoblika faharoa. Nisantatra ny andiany voalohany tamin'ny FJ na “Formation en journalisme” ary mpampianatra momba ny fanaovan-gazety teny amin'ny oniversiten'Antananarivo, eny Ankatso, taranja "Ny Radio". Manam-pahaizana manokana momba ny fampiroboroboana Radio eny ambanivohitra (radio rurale, radio communautaire, radio associative) izy. Mpiasa tao amin'ny fitaleavana ankapoben'ny kolontsaina ihany koa, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ireo akaiky azy rehetra ny eto amin’ny gazety Tia tanindrazana.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT