Miray feo ny mpanakanto maro

«Sokafy ho an’ny tanora ny kianja ! »


  • Zoma 03 Oktobra 2025

Hanatitra taratasy fangatahana alalana

hahafahan'ireo tanora haneho hevitra malalaka eny amin'ny Kianjan'ny Demokrasia na eny amin'ny Kianjan'ny 13 may any amin'ny Filohan'ny Repoblika ny artista sy ny influenceurs. Izy ireo izay naneho fa toy ny fihainoana ny zava-kanto novokariny, dia tokony hihaino ny tanora ihany koa ny mpitondra. « Sokafy ho an’ireo tanora andro iray monja ny kianja mana-tantara. Ireo no antoky ny ho avy, ireo tompon’ny ampitso, ka henoy ireo tanora », hoy ireo mpanakanto omaly raha naneho firaisankina sy nanao fanambarana teny amin’ny Kianjan’ny kanto. Miangavy an’ireo tanora rehetra izy ireo mba ho am-panajana ny fanehoan-kevitra. Andro iray no angatahin'izy ireo ho an'ireo tanora ireo ka ny alatsinainy 6 oktobra na ny alarobia 8 oktobra no eritreretin’izy ireo. Raha mbola tsy mivaly ny fitakiana dia hangataka andro hafa indray izy ireo. Mangataka ny tanora haneho hevitra mba hanaraka ny fandaminana kosa izy ireo raha toa ka mahazo io fahazoan-dalana io, ary mangataka ny fiarovan'ny mpitandro filaminana an'ireo tanora manao hetsika. Zo fototra ny maneho hevitra, manantena anareo mpitondra Fanjakana mba hihaino tahaka ny fihainoanareo ny kanto izay nataonay, hoy hatrany izy ireo. Naneho fa mandray andraikitra ny artista sy influenceurs satria hita fa tsy misy fifampihainoana eo amin'ny zanaka sy ny ray aman-dreny. Ny mahaolona no itsanganan'izy ireo, ho fanoherana ny herisetra sy ny tsy fahafahana miteny an-kalalahana, tsy eto Antananarivo ihany fa ny any amin'ny faritra ihany koa, hoy izy ireo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT