kolontsaina

Minisitry ny kolontsaina Frantsay sy Malagasy Niresaka ny fampodiana ny Kabeson’ny Mpanjaka Toera


  • Talata 23 Novambra 2021

Nihaona tamin-dRamatoa Roselyne Bachelot, Minisitry ny Kolontsaina frantsay, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina malagasy omaly tolakandro,

araka ny tatitry tao amin’ny pejin’io minisitera io. Lohahevitra nodinihana ny fanatanterahana ny fampodiana ny « Kabeson’ny Mpanjaka Sakalava TOERA », araka ny fampanantenana nataon’ny Filohan’ny Repoblika malagasy, Atoa Andry Rajoelina. Efa miroso dia miroso ny fanadihadiana ara-teknika sy ara-tsiantifika (identification ADN) amin’ireo karandoha tehirizina ao amin’ny « Musée National d’Histoire Naturelles » na ny « Musée de l’Homme mba ahalalana izay tena Kabeson’ny Mpanjaka Toera, hoy hatrany ny tatitra. Nambara fa naneho ny fahavononany hanampy amin’ny dingana rehetra mbola hatao ao anatin’izay fampodiana ny Kabeso izay ny Minisitry ny Kolontsaina frantsay, ary hijery ny pitsopitsony araka ny lalàna ny roa tonta ahafahana manatanteraka izany faran’izay haingana. Tao anatin’io fihaonana io koa no nanambaran-dRamatoa minisitra Lalatiana Andriatongarivo ny fangatahan’ny firenena malagasy hampody ireo vakoka ara-kolontsain’i Madagasikara izay mbola tazomin’ny firenena frantsay. Tapaka tao anatin’ny diniky ny roa tonta ny handefasana mpikaroka malagasy hamantatra ireo vakoka malagasy ireo, indrindra ireo tehirizina any amin’ny Mozea frantsay. Izany dia mba ahafahana miroso amin’ny fanisana mazava azy ireo na « inventaire » mialohan’ny hampodiana azy rehetra aty Madagasikara. Izany eo ihany fa mba manao ahoana ireo Nosy Malagasy giazan’ny Frantsay nampanantenaina ny hahazoana azy mialohan’ny 26 jona 2020 ? Manao ahoana ihany koa ilay volamena 73,5 kg nolazain’ny Mpitondra Fanjakana fa tsy maintsy hampodiana eto nialohan’ny 12 janoary 2021 ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT