kolontsaina

Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina Havaozina ny satan’ny mpanakanto


  • Talata 18 Aogositra 2020

Ho fampiarana ny fandaharan’asa sahanin’ny fitondram-panjakana izay mifandraika amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina sy ho fampivoarana ny

 

 

tontolon’ny zavakanto eto Madagasikara dia hanao fakan-kevitra misandrahaka ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina. Ho fanavaozana ny satan’ny mpanakanto izay voafaritry ny didim-panjakana laharana 2011-029 ny 25 janoary 2011 no anton’izy io, raha ny fanazavana. Hiompana amin’ny asa maha mpanakanto matihanina sy ny fametrahana rafitra marim-pototra izany ary iantsoana ireo mpisehatra amin’ny haikanto toy ny mpihira, mpitendry zava-maneno, mpanao hosodoko, mpanao hay vy, mpikabary, mpisova sy ny maro hafa, hoy hatrany ny fiantsoana. Tsy voafaritra moa ny fetran’ny antso fa dia asaina hanatona ireo tomponandraikitra fotsiny, raha mila fanazavana fanampiny, ireo mihevitra ny tenany ho mpanakanto, raha ity fiantsoana ity hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT