Mihari-Ni-Rencho

«Tsy hanatrika adihevitra ny kandida tongatonga ho azy»


  • Zoma 22 Novambra 2024

Tsy hanatrika ny adihevitra ny kandida ho ben’ny tanàna eto Antananarivo, Tojo Ravalomanana,

hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora, Mihari-Ni-Rencho, satria mazava be fa kandida tongatonga ho azy izy fa tsy niomana. Raha hanao adihevitra politika izany nefa izy tsy manana traikefa, hoy ny tenany, dia tsy ampy fahalalana momba ny politikan’i Madagasikara. Izay dia efa kilema na «handicap» be ho azy. Lasa hiteniteny foana ao izy. Manaraka izany, ny TIM rahateo moa vao mainka raha tratran’ny fanontaniana amin’ny resaka fanoherana dia tsy ho voavalin’i Tojo mihitsy hoe fanoherana mankaiza moa no ataon-dry zareo? 15 taona mahery no nisian’ny fanoherana izao fitondrana izao teto Madagasikara. Aza adino fa ny fanoherana eto Madagasikara dia fanoherana sadasada. Ireo milaza azy ho mpanohitra ireo, tsy tena mpanohitra fa mpanohitra sadasada, izany hoe mpanohitra mody manohitra fotsiny fa miray tsikombakomba amin’ny fitondrana ihany. Izay no mampalefaka ny fanoherana. Ny TIM izany tsy mpanohitra fa manamafy ny fitondrana ankehitriny no ataony. Efa ben’ny tanàna teo i Lalao Ravalomanana. Ravalomanana Marc no mpanolontsainy tao fa tsy nanova tantara. Izao indray i Tojo Ravalomanana, tadidio tsara fa ny antony ifidianan’ny olona an’i Tojo Ravalomanana dia ilay Ravalomanana Marc mihitsy no ho fidiany. Izay moa no mahavoa ilay vahoaka. Manompo olona fa tsy mijery vina. Na iza na iza nalatsak’i Ravalomanana teo dia izay foana no narahan’ny olona. Manantena hoe hitondra fanovàna nefa ilay fanoherana aza sadasada, hoy hatrany ity filohana antoko ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

  • Mpanakanto Shyn
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

"Mbola tsy hita ny hazavana"

  • Famelomana ireo tantara
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

an-tsary fahiny

  • Fanavaozana ny Firenena
  • Alakamisy 26 Martsa 2026

« Mila mifaka amin’ny «

Hijery ny tohiny
FTT