kolontsaina

Michel Le Dragon “Rehefa 102 taona aho no handeha”


  • Alakamisy 17 Jona 2021

Manasa ireo olona rehetra mahafehy ny tontolon’ny fanatanjahantena, ny kanto sy kolontsaina,

 

 


 ny fanabeazana sy sosialy, ny tontolon’ny vakoka Malagasy ny fikambanana Gasy ka mahery na GAKAMA ny alahady izao ho tonga hiatrika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny toeram-pikotranana momba izany rehetra etsy amin’ny Dojo ASKA etsy Ampasika. Fiofanana miisa 34 no ho hita anatin’izany, hoy ny fanazavan’ny filoha mpanorina ny GAKAMA, Vitry Michel Emmanuel na Michel Le Dragon. Izay avy mandranto fianarana ao dia ho aparitaka manerana ny nosy hanangana ligy sy sekolim-paritra na seksionina isaky ny distrika sy kaominina manomboka amin’ny volana aogositra, hoy izy. Tanjona ny hampiverina antsika sy hivelomantsika amin’ny kolontsaintsika satria Michel Le Dragon izao 65 taona fa tsy mbola narary na nitsindrona.
Ny didim-pitondrana 447-448 ny 3 aprily 2003 navoakan’ny minisiteran’ny fanatanjahantena no mifehy ahy dia ilay hoe hametraka ny fampivoarana ny soatoavina Malagasy anaty firenena. Ny 212-810 ny 11 septambra 2012 moa no mametraka izany hisian’ny fampivoarana azy eto Madagasikara sy any ivelany. Ny lalana 2005-006 tamin’ny 22 aogositra 2005 no mametraka fa afaka miasa eto amin’ny firenena isika. Eo amin’ny sehatra iraisampirenena moa dia efa eken’ny UNESCO ny GAKAMA. Tanjona ny hananan’I Madagasikara fahaleovantena miainga amin’ny soatoavina ao aminy amin’ny 2025 ka hitovy amin’ny Sina na Japon. Retirety sy hiverina an-doharano hanao famokarana amin’izay ny tena amin’izay 2025 izay dia miandriandry ny fotoana satria rehefa 102 taona izy no handeha, hoy hatrany ny tenany.

 J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Rovan’Ambohitratrimo,
  • Talata 28 Aprily 2026

nahitana tavoahangy nisy pétrole

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

Hijery ny tohiny
FTT