kolontsaina

Miaro Tanjona, zanak’I Olombelo Ricky Manaraka tsimoramora ny dian-drainy


  • Alatsinainy 16 Mey 2022

Samy manana ny kantony. Samy manana ny feony. Samy manana ny mozikany. Mitovy fa tsy sahala, hoy ny filaza azy izay.

Izay raha lazaina amin’ny teny fohy ny mikasika an’i Olombelo Ricky sy ny zanany lahy, Miaro Tanjona. Manaraka tsimoramora ny dian-drainy amin’izao fotoana izao ity zandrikely ity. Amin’ilay tsy maika hanenjika famoronan-kira sy fampisehoana maro fa manome vokatra kanto rehefa masaka tsara kosa. Indro ary i "Volana", hoy izy ny 11 mey teo nanolotra ho an’ny mpankafy ny hirany vaovao. Vazo noforonina noho ny fisarahan-toerana nateraky ny fihibohana, hoy izy, ity ary atolotra ho an’izay voakasiky ny tranga toy izany sy ireo malahelo amin'izao. Ankoatran’izay moa dia azo lazaina ho vokatra efa heno nandrotsirotsy sy nitaizany ny sofin’ireo mpankafy hatrany amin’ny taona 2017 ka hatramin’ny 2021 teo koa ry “Fitia hafakely” sy “Ilay andro” ary “Nangoraka”.

J. Mirija

 

 


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT