Mialy Razafintsalama

Heneho an-tsary ny mety ho « sedran’ny tany »


  • Zoma 05 Janoary 2024

Amir Juvara Andrianalitiana na Amir.J, Joëlle Aresoa na Joey Aresoa,

Aina Jo Arimanjato na Jo Aina, Richianny Raherinjatovo na Richianny Ratovo, Mbolatiana Raoilison na Clipse Teean. Ireo indray no isan’ny mpanakanto voafantin’ny ivon-toerana momba ny kanto etsy Ankadimbahoaka na Hakanto contemporary hampiranty ny zavakantony avy mandritry ny 3 volana manomboka ny sabotsy 6 janoary izao hatramin’ny 20 aprily 2024, raha ny fampahafantarana natao teny an-toerana omaly. Fampiratiana andiany faha 8 izy ity ary mizara 2 mazava, hoy ny fanazavana. Ny iray mitondra ny lohateny hoe “La nouvelle terre”, izay ifarimbonan’izy 5 mianadahy ireo fa etsy ankilany kosa dia manohy izany ny fampiratiana an-tsarin’ilay tovovavy mpaka sary, Mialy Razafintsalama, izay tsy iza fa zanaky ny namana mpanao gazety sady mpaka sary rahateo ihany koa, Fred Razafintsalama, ary mitondra ny lohateny hoe “Sedran’ny tany”. Tongava ety an-toerana, hoy ny tovovavy, fa izaho haneho an-tsary ny mety ho “Sedran’ny tany”.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT