kolontsaina

Mbola Talenta, Beauzaka De Mala Tarika,… Hampianoka bàgasy any Soavinandriana


  • Talata 16 Aogositra 2022

Itasy Anoka bàgasy, io no lohatenin’ny fampisehoana anaty trano fisakafoana na “Cabaret concert” ao Soavinandriana Itasy sy manondidina ny 26 oagositra izao.

Hianoka bàgasy isika miaraka amin'i Mbola Talenta, Beauzaka De Mala Tarika, Haja (Telofangady), Marcelin Ralanto ao amin'ny Auberge Mangarivotra, Soavinandriana Itasy amin’io fotoana io manomboka amin'ny 8 ora alina, hoy ny fanentanan’ny mpikarakara. Araka ny fanazavana hatrany dia tsy misy afa-tsy feon-gitara sy ireo mozika gasigasy rehetra no hanarahan-drizalahy ireto ny hira ifandimbiasany avy. Ho an’izay mbola tsy naheno an-dry “Sipa mainty kely”, “Bisous Rakakabe”, “Gasikara” sy ny hafa rehetra amin’ny endriny an-tsehatra ankehitriny hiangalian-drizalahy ireto na ho an’izay tem bola hankafy izany fotsiny izao fotsiny, araka izany, dia amin’io no fotoana. Hampianoka bàgasy ry zalahy!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT