Fahombiazana tanteraka no azo tamin’ilay hetsika “Mazaval Run” andiany voalohany nokarakarain’ny Okalou sy ny XXL ary ny Skol andro vitsy lasa izay tetsy amin’ny Stade annexe Mahamasina.
Nahatratra 3.500 isa mantsy ireo tanora lahy sy vavy tonga nandray anjara, hazakazaka izay marihina fa sady fanatanjahantena no narahina fizarana loka ihany koa. Nisy koa ny fialana voly maro isan-tsokajiny teny anelanelany teny toy ny fanaovana face painting, ny zumba maroloko ho an’ireo tia mikolo vatana. Nanampy ireo mpandray anjara ny zava-pisotro XXL izay manome hery sy tanjaka ireo 500 tonga voalohany sady nanolotra fanomezana ihany koa. Marihina moa fa tamin’ny 9 ora sy sasany alina vao nifarana ny lanonana. 1 km ny hazakazaka lavitr’ezaka notanterahina tamin’izany, lanonana nofaranana tamin’ny fetibe niarahana tamin’ny DJ Kiero, DJ Gouty, ary DJ Shinchan….
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.