kolontsaina

Matsubara sy ny tariny Hampahafantatra ny « Kay keny sound »


  • Alarobia 05 Desambra 2018

Nangingina tao ho ao ny mpanakanto Matsubara sy ny tariny. Nilaza ary ity mpihira manana ny lazany ity fa misy hatrany tokoa ny fandaharam-potoana isan-karazan’izy ireo saingy noho ny raharaham-pirenena dia naleo aloha nampandeferina ny ankamaroany.

 

 

 Efa niarahanareo nahita tamin’ny fanamiana ireny, hoy izy, ny foto-kevitra “Kay keny” ary dia mahafaly ahy ny milaza aminareo sahady fa nahazo fanamafisam-peo vaovao raitra sy varatra be ny tarika ankehitriny ary nampitondraina ny anarana hoe “Kay keny sound”. Hikononkonona kely aloha izahay, hoy izy, mandrapahatapitr’ity taona ity ary dia hatomboka amin’ny fampahafantarana an’io ny taona vaovao. Efa fanamafisam-peo feno izay misy lampihazo, jiro, kamiao sy sprinter fitondrana ny artista hatramin’ny tranokely fiomanana na “loge”, hoy ny tenany, ity azon’ny tarika ity. Antony nanaovana azy dia satria manahirana ireo mpanakanto eto amintsika matetika ny mitady fanamafisam-peo feno. Mba hirosoana amin’ny maha matihanina kokoa sy hampihena ny fahasahiranan’ny mpanakanto, araka izany, hoy izy, dia ilaina ny fananana fanamafisam-peo feno toy ity izay ho ampahafantarina amin’ny fomba ofisialy tsy ho ela ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT