kolontsaina

Marc Ravalomanana “Hamelona ny hambom-po Malagasy ny tetikasa Nampoina”


  • Alakamisy 11 Novambra 2021

Isan’ireo tonga nanotrona ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fanatontosana ny sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe “Nampoina”

tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana. Tsara ilay tetikasa, hoy izy, satria mamelona indray ny tantara maha Malagasy ny Malagasy. Tadidio fa ny maha firenena ny firenena dia ny tany aloha, ny mponina ao aminy, ny fananany na harenany. Mihena hatrany, raha ny voalaza teo, ny ambo-po maha Malagasy. Miha sahirana tsinona ny olona dia lasa malahelo sy menatra izy. Ity tetikasa ity hamelona indray ilay hambom-po hoe Malagasy aho. Misy hevi-dalina be ao anatin’io tetikasa io. Atao mihitsy izay hampalemy ny Malagasy amin’izao fotoana izao mba ho mora atao amin’izay tiana anaovana azy. Miharitra ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Tsy mety ilay miharitra. Andao isika hiray hina! Amin’izao fotoana izao isika no mahantra, sahirana, tsy mahita izay atao fa raha miray hina isika handrodana izay tsy mety rehetra izay fa hanangana vaovao dia mety. Tsy maintsy mampiseho ny firaisam-pirenena ny Malagasy. Mila amboarina mihitsy aloha ny saina satria ny olona rehefa matanjaka ny sainy dia manana finiavana hanatanteraka zavatra izy. Rehefa izay finiavana izay no tsy ao dia andrakandrana no betsaka. Mikasika ny fanambaran’ny filohan’ny HCC teo aloha, Jean Eric Rakotoharisoa, dia tsy mikitrana irery ny vy, hoy hatrany ity filoham-pirenena teo aloha ity. Aleoko mangina. Tsy foana ny fanantenana raha mbola misy koa ny farany. Mety nitambesatra tao anatiny loatra ilay feon’ny fieritreretany. Naninona no elabe taty aoriana izy vao nilaza? 3 andro, 4 andro, herinandro? Ny vy tsy mikitrana irery. Tsy nisy namoaka iny raha tsy nisy porofo. Mamoafady izany ary famadihana tanindrazana mihitsy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT