MANAMPISOATOAVINA LALAINA –NY AMPINGA

Lasa filoham-boninahitry ny fikambanana


  • Alarobia 31 Janoary 2024

Fikambanana iray niezaka hatrany ifotony nampiroborobo

ny kabary sy ny teny Malagasy ny fikambanana Ny Ampinga, tarihin’Atoa Manampisoatoavina Lalaina Mitahiry Fahendrena ho fanomezan-danja sy fampiroboroboana ny resaka kolontsaina. Anisan’ny tena nahafantarana azy ary ezaka mbola hotohizany amin’ity taona 2024 ity ny fampiofanana ireo mpampianatra kabary. Eo ihany koa ny fampitomboana ny ivon-toerana kabary ankoatra fanomezan-tanana ny federasionan’ny kabary izay marihina fa mbola olon’ny fikambanana Ny Ampinga ihany koa ny ankamaroan’ireo mitantana azy toy ny sekretera jeneraly. Tsiahivina moa fa feno 15 taona amin’ity taona 2023 ity ny fikambanana Ny Ampinga. Hisantaran’izy ireo ny fankalazana noho izany ny fahafantarana fa lasa filoham-boninahitry ny fikambanana Atoa Manampisoatoavina Lalaina Mitahiry Fahendrena. Filoha roa kosa no hanao ny fampandehanan-draharaha dia Rafalahy Jean Chris sy Raherinirina Jose. Nomarihin’ity filoham-boninahitry ny fikambanana Ny Ampinga ity fa tsy niala tao anaty fikambanana moa ny tenany fa eo hatrany ary mbola vonona ny hanao izay faraheriny hampiroboroboana ny fikambanana, ao anatin’ilay teny filamatra manao hoe : Ny Ampinga hampandroso hatreny ifotony ny teny Malagasy. Hisy ny fanandratany mpianatra maromaro amin’ny volana Jona ho avy izao izay tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny teny Malagasy.
Pati
Legende : Atoa Manampisoatoavina Lalaina Mitahiry Fahendrena, filoham-boninahitry ny fikambanana Ny Ampinga !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Nanandratra avo ny gadona Tsapiky
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Anisan’ny notoloran’ny

  • MPANANKATO NICO -LAH-STAR
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Maty nisy nisompatra

  • Honorat Fou hehy
  • Zoma 17 Aprily 2026

Efa tsara fandraisana

  • Festival de Tsapiky
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

Nafaran’ny fitondram-panjakana manokana i Tirike

  • Tsaho ny filazana fa maty
  • Talata 07 Aprily 2026

i Honorat Fou hehy

Hijery ny tohiny
FTT