MANALA AZY VITA BAKA FAHA-34

Etsy Antsahamanitra ny ny fiarahana amin’i Olombelo Ricky


  • Zoma 11 Jolay 2025

Toy ny fanaony isan-taona dia tsy manadino ireo mpiadina avy miatrika ny

fanadinam-panjakana Bakalorea ny Olombelo Ricky. Amin'ny datin'ny 25 Jolay ho avy izao no hanatanterahany ny fampisehoana goavana mifandraika amin'izany ao Antsahamanitra manomboka amin'ny 06 ora hariva. Manohana ny hetsika ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar izay manome lanja sy mametraka ho avo hatrany ny zava-kanto Malagasy. Nambaran'i Olombelo Ricky Ofisialy nandritra ny tafa nifanaovany tamin'ny mpanao gazety omaly fa hohirainy mandritra izany avokoa ireo hira nahafantarana azy hatramin'izay sy nambabo ny fon'ny mpankafy. Hohasandrany miaraka amin'ny mpankafy rehetra izany ao anatin'ny feo iray sy fo iray. 15.000 Ar ny vidim-pidirana tsotra raha 30.000 Ar ny famandrihan-toerana. Azo alaina ao amin'ny infojet Services Antsahavola ny tapakila, ny Airtel La City Ivandry, ny Horizon Score Itaosy ary ny Ketrika.com izay marihina fa afaka manatitra izany any an-trano na any am-piasana ...mihitsy. Seho iray, alina iray... fahatsiarovana milay no teny filamatra hampitondraina ity fampisehoana manala azy vita baka hiarahana amin'ny Olombelo Ricky ity.
Pati
Légende : Olombelo Ricky, vonona hanome ny tsara hatrany ho an'ireo mpankafy azy ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT