kolontsaina

Manala azy vita bacc Ho hentitra ny fidirana


  • Alakamisy 20 Septambra 2018

Hiditra amin’ny andiany faha-26 ankehitriny ny hetsika Manala azy vita bacc miaraka amin’ny mpanakanto Olombelo Ricky.

 

 

 

 Efa mahazatra ny hoe aorian’ny fahavitan’ny fanadinam-panjakana bakalorea dia mifampitaona etsy Antsahamanitra indray ireo avy nanala bacc sy efa nanala izany fahiny mba hanala ny tsy fisiana atao rehefa aorian’ny fanadinam-panjakana n anio manomboka amin’ny 6 ora hariva. Mety hiavaka kosa, hoy ny mpikarakara, ny eo amin’ny lafiny  ravaka sy ny vahiny satria eo ihany ny fivazoana ireo hiran’i Ricky taloha toy ny « Tara-pazavana » sy « Tsy mety milaza » fa hoventesina ihany koa ireo hira faramparany sy vaovao toa an-dry « Tamin’izay » sy « Antsapandrano » ary « Masoandro mody ». Hiantoka ny soradihy ny Kaompania Rary ary ho vahiny hampiavaka ny seho ry zalahy Angaroa. Mba hisorohana ny fifanosehana rehefa miditra eo am-bavahady dia nilaza ny mpikarakara fa ho hentitra ny fampidirana ireo mpanala azy ary hentanina izy ireo mba tonga dia hiditra ao anaty kianja fa tsy hijorojoro eny ivelany intsony na dia tsy miakatra aza ny mpanakanto andrasany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT