kolontsaina

Mamiratra hatrany i Shyn Hifaninana an-kira any Etazonia


  • Zoma 05 Oktobra 2018

Handray anjara amin'ny "All African Magazine Music Award" izay atao any Etazonia ilay mpanakanto Malagasy Shyn anio 5 oktobra hatramin’ny 7 oktobra 2018 ho avy izao.

 

Tafiditra ao anatin’ny sokajy “Best male southern Africa”  na "mpanakanto lehilahy mendrika indrindra aty Afrika" ny tenany. Raha ny efa fantatra tany am-piandohana, dia miisa 10 izy ireo no mifaninana ao amin’io sokajy io, izay ahitana teratany Afrikanina Tatsimo miisa 5, mpanakanto avy any Zimbabwe 2, miampy 1 avy any Zambie, 1 avy any Namibie ary i Shyn izay hany tokana Malagasy. Ireo hirany roa anisan’ny malaza dia ny "Overdose" sy "Fitiavana Mafoaka" no hoentiny hisoloana tena an'i Madagasikara any ary manentana antsika rehetra izy hanohana amin'ny alalan'ny fifidianana ao amin'ny tranonkala. Ao amin’ny http://afrimma.com/ no misy ny andinindininy. Tsiahivina fa tamin’ny Afrima 2017, dia izy no nibata ny “Révélation 2017” tany Lagos Nigeria tamin’ny alalan’ilay hira hoe “Resim-pitia”. Hirariana amin’ity indray mitoraka ity ny hibatan’i Shyn ihany koa ny “Best male southern Africa” any Etazonia. \

 

Toky R

 

 

                                                                                                                                         

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • « 25 taona isika ! »
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mafy ny fifamatoran-dry

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

Hijery ny tohiny
FTT