Handray anjara amin'ny "All African Magazine Music Award" izay atao any Etazonia ilay mpanakanto Malagasy Shyn ny 5-7 oktobra 2018 ho avy izao.
Tafiditra ao anatin’ny sokajy “Best male southern Africa” na "mpanakanto lehilahy mendrika indrindra aty Afrika" ny tenany. Raha ny efa fantatra tany am-piandohana, dia miisa 10 izy ireo no mifaninana ao amin’io sokajy io, izay ahitana teratany Afrikanina Tatsimo miisa 5, mpanakanto avy any Zimbabwe 2, miampy 1 avy any Zambie, 1 avy any Namibie ary i Shyn izay hany tokana Malagasy. Ireo hirany roa anisan’ny malaza dia ny "Overdose" sy "Fitiavana Mafoaka" no hoentiny hisoloana tena an'i Madagasikara any ary manentana antsika rehetra izy hanohana amin'ny alalan'ny fifidianana ao amin'ny tranonkala. Ao amin’ny http://afrimma.com/ no misy ny andinindininy. Tsiahivina fa tamin’ny Afrima 2017, dia izy no nibata ny “Révélation 2017” tany Lagos Nigeria tamin’ny alalan’ilay hira hoe “Resim-pitia”. Hirariana amin’ity indray mitoraka ity ny hibatan’i Shyn ihany koa ny “Best male southern Africa” any Etazonia.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.