kolontsaina

Mamiratra hatrany i Shyn Hifaninana amin’ny « Afrima 2018 » any Etazonia


  • Zoma 03 Aogositra 2018

Voafantina ho mpifaninana amin’ny fifaninanana goavana eo amin’ny tontolon’ny hira, dia ny « AFRIMA 2018 »

 

 izay hatao any Etazonia indray i Shyn mpanakanto Malagasy, izay efa nandrombaka amboara lehibe taty Afrika teo amin’io sehatra io. Hisolotena antsika Malagasy izy, ka manainga am-pitiavana ny Malagasy manana fahafahana amin’ny fikirakirana ny internet, hifidy sy hanome tosika azy ao amin’ny alalan’ny « vue » ao amin'ny Chaine You Tube "Shyn Official".  Miangavy ireo namana nandefa ny horonantsary mirakitra ireo hirany izy hanala azy mba hiangonan'ny « vue ». Amin’ny alalan’ny tranonkala http://afrimma.com/ dia hahafahana mifidy azy. Misy karazany maro ny fifaninanana ao anatin’io fa ny “Best male southern Africa” na ny sokajin’ireo lehilahy tsara feo indrindra aty Atsimon’i Afrika no misy azy. Miisa 10 izy ireo no mifaninana ao amin’io sokajy io, izay ahitana teratany Afrikanina Tatsimo miisa 5, mpanakanto avy any Zimbabwe 2, miampy 1 avy any Zambie, 1 avy any Namibie ary i Shyn izay hany tokana Malagasy. Tsiahivina fa tamin’ny Afrima 2017, dia izy no nibata ny “Révélation 2017” tany Lagos Nigeria tamin’ny alalan’ilay hira hoe “Resim-pitia”. Andrandraina ny hibatan’i Shyn ny “Best male southern Africa” any Etazonia. Antenaina hifidy sy hanohana azy hatrany ny rehetra satria reharehan’ny firenena ny fananana azy miaro ny faneva Malagasy hatrany.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : kolontsaina

  • Faha 50
  • Zoma 18 Septambra 2026

taonan’ny tarika Voamaintilany

  • Rovan'i Madagasikara
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafapetraka ireo jiro manome endrika miavaka

  • Fiverenan'i Nono an-tanindrazana
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Fahombiazana ny "Tamberina"

  • FIKAMBANANA NY APINGA
  • Talata 08 Septambra 2026

Hampitombo isa ireo olona

  • FIHEZAMA, Sampana Karaté
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

Nandray ny toerany ny

  • REKO
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

AMIN'NY 20 SEPTAMBRA Etsy amin'ny lapan'ny

Hijery ny tohiny
FTT